✈️ Nanainga ny Sabotsy 13 Jona 2026 ireo Polisimpirenena miisa 14 avy amin’ireo sampandraharaha samihafa eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, hiatrika fiofanana iraisam-pirenena momba ny ady amin’ny fisolokiana an-tserasera sy ny heloka anabaka any amin’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Chine, fiofanana izay hatao any Hunan Changsha.
🎯 Talohan’ny niaingan’izy ireo dia nisy ny fihaonana sy fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’Andriamatoa Wan Peng, mpanolo-tsaina ao amin’ny Masoivohon’i Sina eto Madagasikara. Nanatrika izany ihany koa ny Contrôleur Général de Police RABIALAHY Jean Rostand, Lehiben’ny Sampandraharahan’ny Interpol, nisolotena ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
📚 Ny 14 Jona – 28 Jona 2026 no hanaovana ny fiofanana. Hifantoka manokana amin’ny lohahevitra momba ny filaminam-bahoaka sy ny ady amin’ny fisolokiana anabaka ny atrikasa.
🙏 Nitondra fisaorana ho an’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina noho ny fitokisana apetrany amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ka mahatonga izao fanohanana sy fiaraha-miasa mitohy izao ny solontenan’ny Minisitera. Notsindriany fa tena ilaina ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Polisimpirenena amin’ny ady amin’ny heloka anabaka sy ny fisolokiana an-tserasera.

FIARAHAMIASA EO AMIN’NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA SY NY REPOBLIKA ENTIM-BAHOAKAN’I SINA : POLISIMPIRENENA MIISA 14 NAHAZO FAMPIOFANANA IRAISAM-PIRENENA MOMBA NY ADY AMIN’NY FISOLOKIANA ANABAKA ANY CHINE

Vous pourrez aussi aimer