👮‍♂️ Lehilahy iray 23 taona no nosamborin’ny Polisin’ny FIP Antsiranana ny 19 Jolay 2026, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva, teny Tanambao Sud noho herisetra sy ratra niniana natao.
🚨 Lehilahy iray 22 taona naratra teo amin’ny tarehiny sy ny lohany no tonga nangataka vonjy tao amin’ny Tobin’ny Polisin’ny FIP, nilaza fa niharan’ny vono sy ratra tao an-tranony.
👮‍♂️ Nandefa iraka nanara-maso sy nanamarina ny zava-misy teny an-toerana ny Polisy ka hita tokoa fa nisy roalahy nandrahona ny mpiara-monina ary nitondra antsy be ny iray.
🚔 Niroso tamin’ny fisamborana azy ireo ny Polisy ka voasambotra ilay lehilahy iray nitondra antsy be raha tafaporitsaka ny namany ary karohina fatratra.
⚖️ Tanana atao famotorana ity tovolahy mpanao herisetra ity ary hatolotra ny Fampanoavana ny raharaha rehefa vita izany.
📞 Manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana tsy hisalasala hiantso ny mpitandro ny Filaminana na hanantona ny birao na ny Toby raha ilaina izany.

ANTSIRANANA : LEHILAHY IRAY 23 TAONA VOASAMBOTRA NOHO NY HERISETRA SY RATRA NINIANA NATAO.

Vous pourrez aussi aimer