🚨 Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
🤝 Manohy ny ezaka fiarovana ny vahoaka sy ny fanamafisana ny fisafoana amin’ny alina ny Polisimpirenena ao Maintirano mba hiadiana amin’ny asan-jiolahy sy hiantohana ny fandriam-pahalemana.
📅 Ny alin’ny 20 Mey 2026, naharay antso ny Polisimpirenena tao Maintirano fa misy jiolahy mamaky trano ao Andranovoribe, secteur I. Tonga haingana teny an-toerana ireo Polisy nanao fisafoana ka tratra ambodiomby ilay lehilahy iray teo am-pamoahana kojakoja sy fitaovana elektronika tao an-tranon’olona iray. Nirifatra nandositra izy vao nahita ny Polisy ka raikitra ny fifanenjehana.
⚠️ Rehefa tratra ity jiolahy ity dia nanao fanoherana mafy sy herisetra ary nikasa ny handrombaka ny Basin’ny Polisy hisambotra azy. Tsy maintsy niaro tena noho izany ny Polisy ary nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy. Maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ity jiolahy ity rehefa niantefan’ny tifitra

Vous pourrez aussi aimer