đAdy amin’ny fipariahana sy fidorohana zava-mahadomelina.
đ Lehilahy iray no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny kaomisaria boriboritany faha-02 Ambohijatovo noho ny resaka fivarotana sy fitanana zava-mahadomelina mahery vaika âHĂ©roĂŻneâ, teny Miandrarivo Ambanidia, ny tolakandronâny 02 Mey 2026.
đ Nisy ny fidinana ifotony nataonâireo Polisy taorianâny vaovao azo avy amina olona tsara sitra-po. Nahatratrarana fonosana fanafody navadika ho fitoerana hĂ©roĂŻne, niaraka taminâny fonosana roa misy ilay zava-mahadomelina sy fitaovana fitahirizana izany tao an-tranony rehefa nosavaina. Niaiky moa ny tenany fa mpivarotra anâio zava-mahadomelina mahery vaika io.
đTohin’ny hetsika hatrany, ny marainanâny 03 Mey tokony taminâny 09 ora kosa, voasambotra teny Ambohipo ny lehilahy iray 25 taona sy vehivavy iray vadiny izay mpiray tsikombakomba aminy amin’ny resaka fitazonana sy fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika hatrany. Mbola nahitana fitaovana mifandraika amin’izany moa tao aminy nandritra ny fisamborana.
đ Nentina teny anivonâny kaomisaria izy ireo ho fanohizana ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.
đŁïž Manentana hatrany ny rehetra ho sahy mitoroka ireto olon-dratsy mamosavy ny taranaka malagasy ireto. Ny Polisimpirenena dia mandray ny andraikiny feno mba ho fanafoanana azy ireny eny anivonâny fiarahamonina.
FIVAROTANANA ZAVA-MAHADOMELINA MAHERY VAIKA : LEHILAHY IRAY VOASAMBOTRA TENY MIANDRARIVO AMBANIDIA, MPIVADY VOASAMBOTRA TENY AMBOHIPO
