👮 Ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
🚨 Lehilahy iray no tratra ambodiomby nangalatra tao anaty fiara teo amin’ny parking iray akaikin’ny “23” eny Ampasampito ny Alatsinainy 04 Mey 2026 tokony ho tamin’ny 03 ora tolakandro.
Nanararaotra ny tsy naha teo ny tompon’ny fiara izy ka nanokatra an-keriny izany mba hangalatra ny entana tao anatiny.
📦 Efa navoakany tao anaty fiara ireo entana ary nafeniny tao anaty tany. Nisy nahatsikaritra izany ka nampilaza haingana ny Polisin’ny Fifamoivoizana miasa manodidina teo.
👤Nentina avy hatrany any amin’ny Kaomisaria CSP3 Antaninandro izy hanaovana fanadihadiana alohan’ny anolorana azy eo anivon’ny Fampanoavana.

AMPASAMPITO : LEHILAHY IRAY MPAMAKY FIARA MIANTSONA ENY AMORON-DALANA VOASAMBOTRY NY POLISY

Vous pourrez aussi aimer