đź“…Tontosa ny Talata 05 Mey 2026 Maraina , tetsy amin’ny Ministeran’ny Filaminaninbahoaka Anosy ny fizarĂ na ny taratasy fanendrena andraikitra hoan’ireo Commissaire de Police miisa 30 sy Officier de Police miisa 48 avy amin’ny andiany « MENDRIKA ».
🎖️Tonga nanome voninahitra izany ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor niaraka tamin’ny Tale misahana ny fita ntanana maha olona eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminaninbahoaka, ny ContrĂ´leur GĂ©nĂ©ral de Police RAMAMPIANDRY Nicolas.
🗣️📢Nandritra ny lahateny izay nataon’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena no nanomezany tsodrano an’ ireto Polisy vao handray andraikitra ireto. Nanome baiko hentitra ihany koa izy mba ho Polisy miasa am-pahitsiana, am-pahamarinana, ary indrindra ho Polisy matihanina hatrany izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asany.
➡️Izao fanendrena izao dia natao hanatevenana sy hanamafisana hatrany ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana. Tanjona ny ho Polisy manakaiky vahoaka, ka hiparitaka manerana ny Nosy ireto Polisy ireto hanatanteraka izany iraka izany.

