CSP6 – BC3 – FAMAKIANA FIARA TETSY ANDRANOMENA: TRATRA IREO MPANGALATRA HITA TAO ANATY CAMERA DE SURVEILLANCE

✅ Fiara iray no nijanona tamina Parking tetsy Andranomena raha niantsena tao amina tranombarotra iray tsy lavitra teo ny tompony. Rehefa tafiditra tao amin’ny tranombarotra ilay vehivavy tompona fiara dia nisy namaky ny fiarany.
✅ Lasa tamin’izany ny Poketra nisy vola sy antontan-taratasy maro samihafa.
Narahan’ireto olon-dratsy hatrany anatin’ilay tranombarotra moa ilay vehivavy raha ny sasany kosa nanararaotra namaky fiara. Tsy fantatr’ireto olon-dratsy fa nisy « caméra de surveillance » ilay tranombarotra ka hita tao avokoa ny nataon’izy ireo .
✅ Nanamora ny fanadihadiana nataon’ny Polisy izany ka voasambotra teny Tsimbazaza sy Andranomanalina ny roalahy raha mbola tadiavina kosa ny iray. Rehefa natolotra ny fampanoavana izy ireo dia nampidirina any Antanimora.

CSP6 – BC3 – FAMAKIANA FIARA TETSY ANDRANOMENA: TRATRA IREO MPANGALATRA HITA TAO ANATY CAMERA DE SURVEILLANCE

Vous pourrez aussi aimer