CSP7 – BC4 – ADY NIAFARA TAMIN’NY FAHAFATESANA : NOTSATOHAN’ILAY LEHILAHY ANTSY NY RAFILAHINY KA NAMOY NY AINY

✅ Niantso ity sakaizany taloha ilay vehivavy ary nilaza fa vonoin’ilay lehilahy miaraka aminy amin’izao izy ka mila vonjy. Tonga tany an-tranon’ilay tovovavy tokoa ity sakaizany taloha ary nifankahita tao izy roalahy .
✅Raikitra ny ady ka notsindronin’ilay lehilahy miaraka amin’ilay vehivavy amin’izao tamin’ny antsy teo akaikin’ny fon’ilay lehilahy sakaizan’ilay vehivavy taloha. Naratra mafy ilay lehilahy voatsindron’ny antsy ka ny Polisy tonga teny an-toerana no nitondra azy teny amin’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy .
✅ Ilay lehilahy nanindrona antsy kosa nandositra saingy tratra teny Andohatapenaka ora vitsy taorian’ilay ady . Nosamborina moa ilay lehilahy nanindrona antsy sy ilay vehivavy ary samy natolotra ny fampanoavana.

CSP7 – BC4 – ADY NIAFARA TAMIN’NY FAHAFATESANA : NOTSATOHAN’ILAY LEHILAHY ANTSY NY RAFILAHINY KA NAMOY NY AINY

Vous pourrez aussi aimer