FIFANINANANA HIDIRANA HO POLISY – LEHILAHY NAMPIASA ANTONTAN-TARATASY HOSOKA : VOASAMBOTRA ARY NANOKAFANA FANADIHADIANA

✅ Tonga eny amin’ny Polisy ity lehilahy 31 taona hametraka ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fifaninanana hidirana ho Polisy. Rehefa nojerena ireo antontan-taratasy dia fantatra fa hosoka ilay mari-pahaizana nampiasainy. Natazonina avy hatrany ity farany ary nanokafana fanadihadiana hahafantarana ireo mpiray tsikombakomba aminy tamin’ny fanaovana ilay mari-pahaizana hosoka .
✅ Hentitra ny fisavana ireo antontan-taratasy ho an’ireo olona hifaninana ho mpianatra ho Polisy hisorohana ny hosoka tahaka izao .
? Entanina isika tsy hiditra amin’ireny taratasy hosoka ireny indrindra fa ny taratasy azo avy any amin’ny mpitsabo satria mampidi-doza ireo mpifaninana rehefa raikitra ny fifaninanana na ny fampiofanana izay mety hitarika hatrany amin’ny fahafatesana mihitsy.

FIFANINANANA HIDIRANA HO POLISY – LEHILAHY NAMPIASA ANTONTAN-TARATASY HOSOKA : VOASAMBOTRA ARY NANOKAFANA FANADIHADIANA

Vous pourrez aussi aimer