✅ Taorian’ny fitarainana voarain’ny Polisy miasa ao amin’ny kaomisaria foibe Tanjombato mahakasika fisolokiana amin’ny fivarotana akohokely.
➡️ Manao varotra akoho amin’ny alalan’ny fesiboky izy ireo, ka mangataka ny mpividy handefa vola mialoha ho famandrihana. Omeny fotoana hakana ny entana avy eo ny mpividy, saingy rehefa tonga izany fotoana izany dia ahemotra hatrany ny fakana azy, ka lazainy fa mbola tsy misy ny akoho.
🚓Nandritra ny fanadihadiana sy fikarohana dia natao ny velam-pandrika ka voasambotra ny 19 Novambra 2026 teny Ambohijanaka ireto mpisoloky ireto.
📝 Olona miisa 23 no voasoloky ary vola 26 tapitrisa Ariary no efa azon’ireto mpisoloky ireto tamin’izany.
🔒Natolotra ny fitsarana izy ireo ny 23 Novambra 2026 taorian’ny fanadihadiana ka voatazona am-ponja avokoa.

ANTANANARIVO ATSIMONDRANO – AMBOHIJANAKA : MPISOLOKY MIISA ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer