18 NOVAMBRA 2026-LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NANOHANA NY FIVAPOVA AMIN’NY ASA SOSIALY ATAONY NY VADIN’NY FILOHAN’NY FANAVAOZANA,RAMATOA ELISA RANDRIANIRINA

-Namaly ny fangatahan’ny FIkambanan’ny VAdina POlisy sy Polisy Vavy (FIVAPOVA) ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ELISA RANDRIANIRINA ka izany indrindra no nandraisany ireo solotenan’ny Birao Nasionaly sy ny Birao mpandrindra azy ireo tety amin’ny Birao fiasany tety amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany.