-Namaly ny fangatahan’ny FIkambanan’ny VAdina POlisy sy Polisy Vavy (FIVAPOVA) ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana ELISA RANDRIANIRINA ka izany indrindra no nandraisany ireo solotenan’ny Birao Nasionaly sy ny Birao mpandrindra azy ireo tety amin’ny Birao fiasany tety amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany.
-Nifantoka tamin’ny fijerena ny fomba ahafahana maneho firaisankina entina manampy ny mpiara-belona amin’ny alalan’ny asa sosialy sy fiaraha-miasa amin’ity Fikambanana ity ny votoatin-dresaka nifanaovan’ny roa tonta araka izany.
-Taorian’ny dinika dia nanome fanampana ara-bola azy ireo ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana hanohanana ny asa sosialy ataon’izy ireo.
-Nisaotra an-dRamatoa ELISA RANDRIANIRINA ny solotenan’ny FIVAPOVA sady nilaza fa vonona hiara-hiasa sy hanohana azy koa amin’ireo hetsika sosialy karakarainy.
-Etsy an-kilany, nanamafy ny maha zava-dehibe ny firaisankina Ramatoa ELISA RANDRIANIRINA.Nambarany fa maro ny zavatra azo ovaina sy hatsaraina raha miray hina ny rehetra.

18 NOVAMBRA 2026-LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NANOHANA NY FIVAPOVA AMIN’NY ASA SOSIALY ATAONY NY VADIN’NY FILOHAN’NY FANAVAOZANA,RAMATOA ELISA RANDRIANIRINA

Vous pourrez aussi aimer