BRIGADE FEMININE DE PROXIMITE : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY HETSIKA 100 ANDRO HO AN’NY TOVOVAVY SY NY VEHIVAVY KARAKARAIN’NY BANKY IRAISAM-PIRENENA

✅ Omaly 25 Novambra no andro iraisam-pirenena ho an’ny ady amin’ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy . Ho fanamarihana izany dia natomboka ny hetsika « 100 Andro ho an’ny tovovavy sy ny vehivavy eto Madagasikara  » karakarain’ny banky iraisam-pirenena
✅ Nanokatra ny hetsika teny an-toerana ny vadin’ny filoham-pirenena Ramatoa Mialy Rajoelina no sady filohan’ny fikambanana Fitia ary koa reny mpitarika amin’ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na amin’ny mahavavy .
✅ Amin’ny maha hetsika 100 andro ho an’ny tovovavy sy vehivavy azy dia manana sampan-draharaha manokana misahana izany ny Polisim-pirenena dia ny Brigade Féminine de Proximité izany . Araka izany dia tonga teny an-toerana nanotrona sy nanohana ny hetsika ihany koa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka mivady .
?‍♀️Ny BFP izay sampan-draharaha natokana ho an’ny fisorohana ireo herisetra mianjady amin’ny olona marefo dia mifototra amin’ny fanentanana sy fampianarana ary ny fampahafantarana ny zon’ny vehivavy.
✅ Izany asan’izy ireo izany dia mifandraika tanteraka amin’ny lohateny noraisina tamin’ny fanombohana ny hetsika dia ny hoe  » ankizivavy mianatra, vehivavy miavotra  » . Tsara ny manamarika fa nandray anjara tamin’ny hetsika fanokafana ihany koa ny BFP manerana ny nosy.

BRIGADE FEMININE DE PROXIMITE : NANDRAY ANJARA TAMIN’NY HETSIKA 100 ANDRO HO AN’NY TOVOVAVY SY NY VEHIVAVY KARAKARAIN’NY BANKY IRAISAM-PIRENENA

Vous pourrez aussi aimer