Tra-tehak’ity Polisy vehivavy ity ny mpanendaka iray raha hitany avy nanao herisetra sy nanendaka ramatoa 01 nitondra finday tetsy akaikin’ny sacre coeur beryl rose Toamasina. Tsy nampoizin’ity mpanendaka ity tokoa ny fomba fihetsik’ilay Polisy vehivavy nisambotra sy nifehy azy ka tsy nahafahany nandositra. Rehefa tratra ilay mpanendaka dia nanomboka nitangorona ny olona ary efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay olon-dratsy raha tsy noentin’ilay Polisy haingana tany amin’ny kaomisaria.
Polisy avy ao amin’ny Brigade Féminine de Proximité moa ilay vehivavy ary anisany asan’izy ireo ny fiarovana ireo olona marefo toy ny zaza amam-behivavy sy ireo zokiolona.

BFP TOAMASINA: TSY AFA-NITSOAKA INTSONY ILAY MPANENDAKA REHEFA VOASAMBOTR’ILAY POLISY VEHIVAVY

Vous pourrez aussi aimer