Teratany vahiny mpizaha tany iray tany toliara no tratran’ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona nanao firaisana ara-nofo niaraka amin’ny zaza vao 14 taona tao amina hotely iray any an-toerana. Nosamborina avy hatrany ity vazaha ity ary noentina natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny Polisy. Tamin’izany no nahalalana fa mpizaha tany izy ary efa tapitra ny fe-potoana hahafahany mizaha tany kanefa izao tratra ambodiomby niaraka tamin’ny zaza vao 14 taona izao. Rehefa natolotra ny fitsarana ny tenany omaly dia nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’ny toliara.
Tsara ho fantatsika fa ilaina ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin’ny fanomezam-baovao ny Polisy mikasika ny tranga toy izao ho fiarovana ireo zaza Malagasy.

Afaka antsoina ny laharana maintso 147 sy 813 raha misy trangana herisetra mahazo ny zaza tsy ampy taona.
TANDREMO ARY FA azo enjehin’ny lalàna ireo olona mahafantatra na mahita trangana fanodinkodinana na fanararaotana zaza tsy ampy taona kanefa tsy mitoroka izany eny anivon’ny mpitandro ny filaminana.

DPMPM TOLIARA : TRATRAN’NY POLISY NANAO FIRAISANA TAMINA ZAZA 14 TAONA ILAY TERATANY VAHINY 65 TAONA

Vous pourrez aussi aimer