👉 Ady amin’ny asan-jiolahy sy fametrahana fandriampahalemana maharitra
👮 Ny alin’ny 21 oktobra 2026 dia nisy trangana fanendahana miharo herisetra in-droa miantaona teny Antarandolo, tao Fianarantsoa.
📱Finday sy vola no lasan’ireo jiolahy, ary nisy tamin’ireo niharam-boina no naratra. Fantatra fa nitondra basy ireo jiolahy nandritra izany ary andian-jiolahy iray ihany no nanao ireo asa ratsy ireo.
đźš“ Taorian’ny fanarahan-dia nataon’ny Polisy tao Fianarantsoa, dia fantatra ny toerana fiheren’ireo jiolahy ka nanaovana bemidina.
🚨 Nandritra izany anefa, dia nikasa hitifitra ny Polisy ireo jiolahy ary nanohitra mafy ka tsy maintsy niaro tena ny mpitandro ny filaminana.
Vokatry ny fifandonana dia maty voatifitra ny telo lahy ary azo sambo-belona ny telo hafa.
📍 Fantatra fa jiolahy rain-dahiny sy efa mpamerin-keloka ireto telo lahy lavo ireto ary vao nahavita sazy iray volana ny iray tamin’izy ireo.
👉 Nentina natao famotorana kosa ireo jiolahy telo hafa azo sambo-belona ary hatolotra ny Fampanoavana ny raharaha rehefa vita izany.

FIANARANTSOA : MPANENDAKA TELO LAHY MATY VOATIFITRY NY POLISY TAORIAN’NY FANDROBANA SY FANDRATRANA OLONA, TELO HAFA AZO SAMBO-BELONA

Vous pourrez aussi aimer