FIOMANANA – LAMINA VAOVAO IATREHANA AMIN’NY FIVOAHANA FIBOHANA

HISY NY LAMINA VAOVAO HAPETRAKY NY POLISIM-PIRENENA INDRINDRA EO AMIN’NY LAFINY FIVEZIVEZEN’NY MPAMPIASA LALANA

Raha mbola tsy mivoaka tanteraka amin’ny fihibohana ny eto Analamanga dia tsikaritra fa efa mitohana sahady ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra na dia mbola tsy miasa aza ireo fiara mpitatitra, manginy fotsiny ireo mpivarotra mameno ny sisin-dalana . Mandrafitra ny paik’ady hiatrehana izany indrindra ireo lehibena kaomisaria eto an-drenivohitra izay tarihin’ny Tale Jeneralin’ny Polisim- pirenena.

Ho tohizana ireo asan’ny Polisy hita fa misy fiantraikany amin’ny vahoaka ary ovaina kosa ny fomba fihetsika tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy.

Hisy araka izany ny fandaminana vaovao hapetraky ny Polisim-pirenena ho tombotsoan’ny be sy ny maro ka ny tanjona dia ny famerenana indray ny fiainana andavanandron’ny olom-pirenena lavitry ny korontana sy ny gaboraraka.

Plus impliquée dans la lutte contre la COVID-19 !!!

Retour
FIOMANANA AMIN’NY FIVOAHANA AMIN ‘NY FIHIBOHANA

Vous pourrez aussi aimer