BUREAU CENTRAL NATIONAL INTERPOL ANTANANARIVO : NAHAZO FITAOVANA MARO SAMIHAFA HOENTINA MANATSARA NY ASAN’NY POLISIM-PIRENENA

?️?️?? Nahazo fitaovana ( ordinateur, imprimante, vidéo sy écran Projecteur ,… ) mitentina 150 000 000ar avy amin’ny OIPIC ( Organisation Internationale de Police Criminelle) ireo Polisy miasa amin’ny Interpol eto Antananarivo.
✅ Polisy avy any amin’ny firenena maro samihafa miisa 195 moa no mivondrona ao anatin’ny Interpol ary isan’izany i Madagasikara.
✅ Tonga nanolotra izany teny amin’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka Anosy ireo « Officiers Régionaux de déploiement d’INTERPOL » , Andriamatoa Barka Ba AMIDOU sy Andriamatoa Obediah MPOFU . Nandray izany koa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ireo lehiben’ny Polisy isan-tsokajiny.
✅ Nambaran’ Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka fa hanampy sy hanatsara ny fahaiza-manaon’ny Polisy moa izao fanampiana ny mpitandro filaminana izao indrindra ny fiaraha-miasa miaraka amin’ireo firenena mivondrona ao anatin’ny Interpol.

 

BUREAU CENTRAL NATIONAL INTERPOL ANTANANARIVO : NAHAZO FITAOVANA MARO SAMIHAFA HOENTINA MANATSARA NY ASAN’NY POLISIM-PIRENENA

Vous pourrez aussi aimer