👉 Ady amin’ny fiparitahana sy ny fidirohona zava-mahadomelina
👮‍♂️ Nanatanteraka fanentanana mikasika ny fiparitahana sy ny fampiasana zava-mahadomelina ireo Polisy avy amin’ny Sampandraharaha miady amin’ny fidorohana sy fiparitahan’ny zava-mahadomelina (STUP) , ny harivan’ny 20 Septambra 2026, teny amin’ny Fokontany Andohanimandrozesa. Nitohy teny amin’ny Fokontany Ampohipo ny hetsika, ny harivan’io andro io ihany, ka maro be ireo fokonolona nandray anjara tamin’ny fanentanana.
📢 Ny alatsinainy 21 Septambra 2026 kosa dia notanterahina teny amin’ny Fokontany Alasora/Ambodivondava ny fanentanana, izay niompana tamin’ny tanora, Ray aman-dreny ary mpivarotra maro teny an-toerana.
🏫 Ankoatra izany, nanentana an’ireo mpianatra, Ray aman-dreny ary mpampianatra ihany koa ireo Polisy ireo, anisan’izany ny tao amin’ny LycĂ©e Andoharanofotsy, izay nahitana mpianatra maro nandray anjara tamin’izany. Fanentana ny fisorohana mialoha ny fidorohana sy ny fiarovana ny tanora.
🎯 Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampahafantatra ny vahoaka ny loza ateraky ny zava-mahadomelina sy ny fanamafisana ny ady amin’ny fiparitahany

ANALAMANGA : FANENTANANA NY VAHOAKA MOMBA NY LOZA ENTIN’NY ZAVA-MAHADOMELINA

Vous pourrez aussi aimer