🛡️ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
🚨 AMBATOMENA : nahazo fampahafantarana momba ny fisian’ny olona ahiahiana ho mpamaky trano mihaodihaody teny Antarandolo ny Polisin’ny UIR ao amin’ny Kaomisaria Foibe Fianarantsoa ny 09 Septambra 2026.
🚔Nirotsaka an-tsehatra avy hatrany izy ireo nanao ny fanaraha-maso ka voasambotra ilay olona nampiahiahy.
👮‍♂️ Nentina teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ary nosokafana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity.
🔄 Nandritra izany no nahafantarana fa efa mpamerin-keloka izy ary efa nigadra noho ny raharaha vaky trano ka izao namerina nanao ny asa ratsiny izao indray rehefa nivoaka ny fonja.
⚖️Natolotra ny Fampanoavana ny 16 Septambra 2026 ary voatazona am-ponja.
🏠 IGAGA : nandritra ny fisafoana nataon’ny Polisy, dia nahazo antso vonjy fa misy mpamaky trano ao Igàgà ny 15 Septambra 2026.
Tonga haingana teny an-toerana ny Polisy ka tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ny lehilahy iray.
🔎 Niezaka nandositra izy saingy tsy lasa lavitra dia tratra. Nahitana antsy maranitra teny aminy. Natolotra ny Fampanoavana ny 18 Septambra 2026 ny raharaha ary voatazona am-ponja ity jiolahy ity.
🏍️ IVORY AVARATRA : nandritra ny fisafoana ihany, dia nahita olona nanosika moto JOG 49 CC nampiahiahy ny Polisy ny 15 Septambra 2026, tokony ho tamin’ny 03 ora maraina, teo Ivory Avaratra.
Nitsoaka ilay olona raha vao nahita ny Polisy ka navelany teo ilay moto.
👮‍♂️ Nentina tao amin’ny Kaomisaria Foibe Fianarantsoa ilay moto. Tonga tao amin’ny Kaomisaria ny tompon’ilay moto izay efa nametraka fitoriana ka taorian’ny fanamarinana dia voamarina fa azy tokoa ilay izy ary naverina taminy, raha mbola nitohy kosa ny fanadihadiana hitadiavana ilay mpangalatra.
📢 Ny fampahafantarana haingana ny mpitandro ny filaminana rehefa misy tranga mampiahiahy dia manampy amin’ny fisorohana ny asa ratsy sy ny fiarovana ny olona ary ny fananany. Aoka isika samy ho mailo sy handray andraikitra amin’ny fametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra.

KAOMISARIA FOIBE FIANARANTSOA : OLONA ROA NO VOASAMBOTRA NANDRITRA NY HETSIKA « MAHOMBY »

Vous pourrez aussi aimer