💷 Ady amin’ny kolikoly.
☑️Tontosa ny Talata 22 Septambra 2026, tao amin’ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy Fampiofanana Mitohy Antanimora, ny fanolorana ny Politika anatiny Iadiana amin’ny Kolikoly (Politique Interne de Lutte Contre la Corruption) eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana eto amin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
⚖️ Navoitra ny fisorohana ny kolikoly, ny fanentanana, ny fanaraha-maso, ny fampiasana ny fanavaozana nomerika amin’ny tolotra omen’ny Polisy, ary ny fampiharana hentitra ny sazy araka ny lalàna sy ny didy aman-dalàna manan-kery ho an’ireo tratra manao izany, na iza na iza. Fitsipika tsy azo ovaina ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly na ny « tolérance zéro ».
🤝 Tonga nanolotra izany ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL. Notsindriany tao anatin’ny lahateny izay nataony fa maneho ny fahavononany hatrany ny Ministera amin’ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny asan’ny Polisimpirenena. Ny ady amin’ny kolikoly dia fepetra takian’ny fitondram-panjakana. Manome toky fa hotohizana ny ady amin’ny kolikoly ao anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny fanaraha-maso iarahana amin’ny BIANCO.
👮♂️ Tonga nandray ny tahirin-kevitra fototra misy ny lalan-tsaina hiadiana amin’ny kolikoly ny Tale Jeneralin’ny Birao Mahaleotena Iadiana amin’ny Kolikoly, Andriamatoa RAZAKAMANANTSOA Gaby Nestor. Notsindriany fa zava-dehibe ary adidy sy andraikitra didin’ny lalàna, sady miroso amin’ny fanatanterahana ny vina fitondrana fanavaozana ny fanaovana laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly.
🏛️ Nanome voninahitra ny lanonana ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny BIANCO sy ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.

