BC4 – SAG – CSP MORAMANGA – GN ANJIRO – FAMONOANA AN’I SANNIE : RESA-PITIAVANA NO NAMONOANA AZY

✅ Famonoana efa voaomana no nahazo an’ny Sannie 21 taona izay voalaza fa tsy hita ny Alatsinainy teo ary nandefasana ombay mitady teto amin’ny FB. Lehilahy iray 24 taona miaraka amin’ny sipany izay vehivavy 22 taona no tompon’antoka tamin’ny famonoana azy.
✅ Nasain’ilay lehilahy tonga tany an-tranony i Sannie . Rehefa tonga tany izy dia novonoin’ilay lehilahy sy ilay sipany ary nalevin’izy ireo teo an-tokontany . Rehefa vita izay dia nandefa « SMS » tamin’ny findain’i Sannie izy ireo nankany amin’ny fianakaviany izay mitaky vola 20 Tapitrisa ariary.
?‍♂️ Voasambotry ny Polisy omaly hariva ihany moa izy roa ireo ary araka ny fantatra dia sipan’ilay lehilahy ihany koa i Sanny saingy efa nisaraka izy ireo ary mbola nifampiresaka ihany. Manelingelina ny fiarahan’izy roa ny fisiany Sannie ka anisan’ny antony namonoana azy.
? Isaorana ny fiaraha-miasa nisy teo amin’ny Brigade Gendarmerie Anjiro sy Polisim-pirenena ary ny fokontany Ambohitsimpo Anjiro.

BC4 – SAG – CSP MORAMANGA – GN ANJIRO – FAMONOANA AN’I SANNIE : RESA-PITIAVANA NO NAMONOANA AZY

Vous pourrez aussi aimer