CSP4 – POLISY MIARO SY MANAMPY VAHOAKA : TERAKA TAO ANATY FIARAN’NY POLISY ILAY RENIM-PIANAKAVIANA NOENTINA HAMONJY TOERAM-PITSABOANA

?‍?‍?Dia an-tongotra amin’ny 02 ora maraina no noentin’izy mianakavy kely namonjy toeram-pitsaboana satria andeha hiteraka ilay renim-pianakaviana. Fiarana Polisy nanao sakana tetsy Ampefiloha no nahita azy ireo ary nitondra ilay renim-pianakaviana namonjy haingana ny hopitaly.
? Teraka lahikely tao anaty fiaran’ny Polisy anefa ilay vehivavy ary rehefa tonga teny amin’ny hopitaly dia nokarakarain’ireo mpitsabo tsara izy ireo. Salama tsara avokoa ny reny sy ny Zaza .
?‍♂️Tsy misambotra ireo olon-dratsy ihany no ataon’ny Polisim-pirenena fa manampy ny vahoaka amin’ny manahirana azy ihany koa.

CSP4 – POLISY MIARO SY MANAMPY VAHOAKA : TERAKA TAO ANATY FIARAN’NY POLISY ILAY RENIM-PIANAKAVIANA NOENTINA HAMONJY TOERAM-PITSABOANA

Vous pourrez aussi aimer