➡️ Tafatsangana ny sampandraharaha misahana ny fanadihadiana manokana sy ny ady amin’ny hosoka ( Division des enquêtes specialisées et de la lutte contre les fraudes) ao Nosy-Be Hell ville, faritra nahitana tranga maro izay mahafeno ny fepetra sy ny singa mamaritra ny famarinana olombelona.
➡️Nidina ifotony ny tompon’andraikitra ao amin’ny Fitaleavana misahana ny fanaraha-maso ny fifindra-monina ( Direction du Contrôle des Migrations) nametraka izany ary nampahafantatra ireo karazana endrika famarinana olombelona eto Madagasikara, ny lalàna mahakasika izany ary ny sazy mifandraika amin’ity heloka bevava ity. Nampahafantarina ny endrika famarinana olombelona mateti-pitranga ao amin’ny faritra DIANA. Arak’izany dia nisy ny fampahafantarana sy fanentanana ireo polisy rehetra miasa ao amin’ny distrikan’Ambanja mba handray andraikitra amin’ity tranga ity.
➡️ Ankilan’izay dia nampahafantatra bebe kokoa momba ny ady amin’ny fanondranana antsokosoko mpifindra-monina ( trafic illicite de migrants) sy ny ady amin’ny hosoka ( lutte contre les fraudes), heloka mifandray matetika amin’ny famarinana olombelona, ny tompon’andraikitra. Natao izany mba ahafan’ireo polisy hanentana ny mpiara-belona ny amin’ny fitorohana.
➡️Nohamafisina tao anatin’ny fanentanana ny maha zava-dehibe ny fisorohana sy ny fandraisana andraikitra tokony ataon’ny Polisimpirenena manoloana ny tranga mampiahiahy ho miendrika famarinana olombelona na koa hitarika izany. Tamin’izany no nampahafantarina ireo andraikitry ny polisim-pirenena mifandray amin’ ny fanaraha-maso ny fifindra-monina arak’asa, toy ny fijerena akaiky ny anton-taratasy tokony entin’ny mpiasa malagasy mivoaka ny sisin-tany rehefa hiasa any ivelany izy ireo, mba ahafahana misoroka ny mety ho trangam-pamarinana olombelona sy hiarovana ny zon’ny mpiasa malagasy.
➡️ Ity sampandraharaha ity dia hiara-hiasa akaiky amin’ny sampandraharaha miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza tsy ampy taona ( PMPM) ary ny ny sampandrahara misahana ny sisin-tany ( PAF) izay misehatra ihany koa amin’ny ady amin’ny famarinana olombelona.
➡️Tao aorian’ny fitsanganan’ny sampandraharaha dia nisy ny fihaonana sy ny dinika niarahana tamin’ny mpiadidy ny tananàn’i Nosy be Hell ville, Andriamatoa TILAHIZANDRY Niaina Angelo ho fiaraha-mientana amin’ity ady atao ity.

