🛡️ Ady amin’ny asan-jiolahy sy fiarovana ny sokajin’olona marefo
👮♂️ Nandritra ny fisafoana an-tongotra manodidina an’Andavamamba – Ambilanibe- 67HA nataon’ireo Polisy avy ao amin’ny CUI ny alin’ny 10 oktobra 2026 no nahazoana izao vokatra izao :
📌 olona miisa 06 no tsy nahitana kara-panondro, ary olona 01 kosa no mamo teo am-pitondrana kodiaran-droa.
🔎 Nandray ny andraikiny arak’izany ireo Polisy manoloana ireo tranga ireo ka nentina teny amin’ny SUT ireo olona 06 tsy nanana Karapanondro hanaovana fanadihadiana ny momba azy sy ho fiarovana azy ireo amin’ny loza, tsy fantatra mazava ihany koa ny antondian’izy ireo.
🎯 Natolotra ny BAC kosa ilay olona 01 nitondra kodiaran-droa tao anatin’ny fahamamoana, mba handraisana ny fepetra mifanaraka amin’izany.
✅ Ny hetsika tahaka izao dia natao hisorohana ny tsy fandriam-pahalemana ary tanterahina amin’ny faritra maro izay sokajiana ho mafampana eto Antananarivo