👉 Ady amin’ny asan-jiolahy
👮‍♂️ Olona roa avy niantsena tao amin’ny Jumbo score Tanjombato no nisy nikasa hanendaka teo amin’ny fivoahan’ity tranombarotra ity ny Sabotsy 10 Oktobra 2026, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva.
🎯 Efa nifampisintona ny kitapo nisy vola nentin’ireo lasibatra ireo saingy vaky nandositra ireo jiolahy rehefa naheno ny fahatongavan’ny Polisin’ny UIR Tanjombato.
📌 Tsy nahazo na inona na inona noho izany ireo olon-dratsy ary nilaozany teo ny moto izay nampiasain’izy ireo.
👮‍♂️ Nentina ao amin’ny Kaomisaria Foibe Tanjombato ilay kodiaran-droa hanohizana ny fanadihadiana ary antsoina izay manam-baovao amin’ity tranga ity fa tanana ho tsiambatelo izany.

TANJOMBATO : MPIANTSENA TAO AMIN’NY JUMBO SCORE SAIKA NISY NANENDAKA, VOASOROKA NOHO NY FIROTSAHANA AN-TSEHATRA NATAON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer