🛡️ Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
👮‍♂️ Lehilahy roa no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Atsimondrano ny sabotsy 10 Oktobra 2026.
👉 Ny voalohany Lehilahy iray no tra-tehaka nidoroka zava-mahadomelina ary nanohitra mafy izy nandritra ny fisamborana azy.
🚔 Ny faharoa, lehilahy lehibe iray 70 taona nangalatra vola « versement » sy taratasin’ny fiara fitateram-bahoaka iray tao Andoharanofotsy. Nandritra ny fisavana azy dia hita tao anaty kitapony ireo taratasin’ny fiara ary nahità na fonosana rongony niaraka taminy.
⚖️ Nentina tao amin’ny Kaomisaria Foiben’Atsimondrano izy roa lahy hanaovana fanadihadiana alohany hanolorana azy eo anivon’ny fampanoavana.
TANJOMBATO : LEHILAHY MIISA ROA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY HALATRA SY FITAZONANA ZAVA-MAHADOMELINA.
