👮‍♂️ Manohy ny fisafoana amin’ireo elakelan-trano rehetra ao amin’ny fari-piadidiany ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Isotry. Ny alin’ny 9 Septambra 2026 dia nitarika izany ny Commissaire de Police RAJOSIARISON FĂ©licien Herilala niaraka tamin’ireo Filoham-pokontany; nitety sy nanara-maso tany anaty elakelan-trano rehetra.
👮‍♂️ Natao ihany koa ny fanaraha-maso ireo toerana fivarotana zava-pisotro, niroso tamin’ny fanakatonana ireo izay mandika ny ora voatondro ny Polisimpirenena.
🚨 Vokatr’ireo fanaraha-maso natao dia lehilahy iray no tratra nitondra rongony, ka nosamborin’ny Polisy avy hatrany ary nentina natao fanadihadiana.
🛡️ Ny tanjona amin’izao fidinana ifotony izao dia ny fanamafisana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana ao amin’ny faritra Isotry sy ny manodidina, ary ny fisorohana ireo trangana heloka bevava mety hanakorontana ny Filaminam-bahoaka.
âś… Manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana ny Polisimpirenena hahasahy hitoroka ireo mpanao ratsy mialokaloka anaty fiarahamonina.
🚨 Ireto ny nimerao afaka azahoana ireo Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Isotry, Poste de Police AvancĂ© Ilanivato sy Ampefiloha.
📱 PPA Ampefiloha : 034 07 517 09
📱 PPA Ilanivato : 034 05 517 08

