-Polisimpirenena matihanina sy lavitry ny kolikoly
– Manoloana ny fiverenan’ireo Polisy misahana ny fifamoivoizana sy ny eny an-dalambe (Police routière), misy ny fampiofanana ho an’ireo voakasik’izany, karakarain’ny eo anivon’ny Fitaleavana misahana ny fikarohana sy ny fampihofanana mitohy eny Antanimora (DRFC) sy ny Fitaleavam-mparitry ny Filaminambahoaka Analamanga.
– Izany dia notanterahina nanomboka ny 28 Mey 2026. Ny Tale Jeneraly Lefitry ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police SERALY Hercule no nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy. Fiofanana izay tarihin’ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga, ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis. Haharitra folo andro ny fiofanana ary miisa 500 ireo Polisy misitraka izany.
-Tanjona ny fanamafisana ny fahaiza-manao hananan’ireo Polisy misehatra eny an-kianja sy firosoana hatrany amin’ny maha matihanina, lavitry ny kolikoly ary manaraka ny lalàna velona hatrany.
FITALEAVAM-PARITRY NY FILAMINAMBAHOAKA ANALAMANGA – DRFC : TONTOSA NY FAMPIOFANANA HO AN’IREO POLISIMPIRENENA HISAHANA NY ASA ENY AN-DALAMBE SY FIFAMOIVOIZANA (POLICE DE LA ROUTE)