– Nanomboka ny 28 Mey 2026 ary mitohy anio ny fihodinana faharoa amin’ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho « Agent de Police » miisa 500 ho an’ny taona 2025.
– Adina am-bava sy ara-panatanjahantena no atrehin’ireo mpiadina mandritra izao dingana faharoa izao. Teny amin’ny Kianja Alarobia no nanatanterahana ny adina ara-panatanjahantena ary teny amin’ny biraon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka Anosy kosa no natao ny adina am-bava.
– Nizotra tamim-pilaminana ny fifaninana ary nahitàna fahavononana sy faharetana teo amin’ireo mpiadina rehetra tonga niatrika izany.
– Ho ampitaina eto amin’ny pejin’ny Polisimpirenena malagasy ny tohin’ny fifaninana sy ny lamina momba izany ankoatran’ireo peta-drindrina hivoaka eny amin’ny biraon’ny Polisimpirenena manerana ny Nosy.

ADINA AM-BAVA SY ARA-PANATANJAHANTENA AMIN’NY FIFANINANANA HIDIRANA HO MPIANATRA HO « AGENT DE POLICE » MIISA 500

Vous pourrez aussi aimer