– Notanterahina ny 18 Aogositra 2026 ny fametrahana ny vato fototry ny fanamboarana trano ho an’ny Trompetran’ny Polisimpirenena, izay tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny Chorale Trompetran’ny Polisimpirenena.
-Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny mpandrindra sady lehiben’ny Fitsirihana anatiny ao amin’ny Minisiteran’ny Filiaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavitafika Vololonandro, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka.
– Natomboka tamin’ny fotoam-pivavahana ny lanonana, narahina fandraisam-pitenenana, ary nofaranana tamin’ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny vato fototra ho mariky ny fanombohan’ny asa fanorenana.
– Mifameno ihany ny asa fitoriana ataon’ny Chorale Trompetran’ny Polisimpirenena sy ny asa maha Polisy dia ny fivoizana ny fahamarinana sy fiarovana ny fiaraha-monina amin’ny ratsy isan-karazany

TRANO HO AN’NY CHORALE TROMPETRAN’NY POLISIMPIRENENA : TONTOSA NY FAMETRAHANA NY VATO FOTOTRA.

Vous pourrez aussi aimer