🚨 Ady amin’ny asan-jiolahy.
📅 Ny sabotsy 23 Mey 2026 tokony ho tamin’ny 05 ora hariva, naharay loharanom-baovao azo antoka ny Polisimpirenena tao Toamasina momba ny fikasana hanao sakan-dalana sy hanafika olona iray nitondra vola 60 tapitrisa Ariary. Taorian’ny fanadihadiana sy ny fanaraha-maso natao dia fantatra fa nizara vondrona telo ireo jiolahy ary nampiasa môtô roa sy « tuk-tuk » iray.
👮 Nandray fepetra avy hatrany ny Polisy ka nahavita nisambotra olona telo tamin’ireo voarohirohy, raha tafaporitsaka kosa ny hafa. Nandritra ny famotorana no nahafantarana ireo toerana niafenan’ny namany sy lehilahy iray hafa mpiambina magazay, voalaza fa manome vaovao sy toromarika momba ireo olona hanaovana ny fanafihana.
⛓️ Olona dimy no voasambotra ary mbola misy hafa karohina. Rehefa natolotra ny Fampanoavana ireo voarohirohy ny 28 Mey 2026 dia samy nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa
TOAMASINA : ANDIAN’OLONA MPANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
