– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny asan-jiolahy
– Mitohy hatrany ny hetsika ataon’ny Polisimpirenena ao Toamasina amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny famongorana ireo andian-jiolahy ao an-toerana. Tamin’ny alin’ny 27 hifoha ny 28 Mey 2026 dia nisy hetsika roa samihafa notanterahin’ny Polisy tao amin’ny faritra Tsarakofafa sy Verrerie, izay niafara tamin’ny fifandonana tamin’ireo jiolahy.
– Nahazo loharanom-baovao ny Polisin’ny UIR fa misy andian-jiolahy mivory ao anaty trano iray miafina ao anaty kirihitr’ala ao Tsarakofafa. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy hanao fanamarinana izany sy hisambotra ireo jiolahy. Nandritra ny fisamborana anefa dia nanohitra sy namaly tamin’ny fitaovam-piadiana teny am-pelatanany ireo jiolahy ka raikitra ny fifandonana. Jiolahy roa no lavo nandritra izany, raha fantatra fa nisy namany tafaporitsaka tanaty haizina ary mbola karohina.
– Nandritra ny fisavàna ilay toerana niafenan’izy ireo dia nahitana moto roa azon’ireo jiolahy tamin’ny fanendahana ny alin’ny 24 sy 25 Mey 2026 tao.
– Tetsy ankilany, nandritra ny fisafoana alina nataon’ny FIP tao amin’ny faritra akaikin’ny Pont Apandrana no nifanehitra tamina mpanendaka roalahy ireo Polisy. Rehefa nampijanona azy ireo sy hanao fisavàna ireto jiolahy ireto ny Polisy dia namoaka antsy avy hatrany izy ireo ka tsy maintsy niaro tena ny mpitandro ny filaminana ary nitifitra ; maty vokatry ny ratra nahazo azy ireo roalahy.
– Hita teny amin’izy ireo ny moto halatra iray, telefonina Android iray ary lakile fampiasa amin’ny fangalarana moto.
– Araka ny fantatra dia efa malaza amin’ny raharaha halatra moto sy fanafihana mitam-piadiana ireo andian-jiolahy ireo, ary mbola mitohy ny fikarohana ireo naman’izy ireo tafaporitsaka.
-Manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ao Toamasina dia tsy miraviravy tanana ny Polisimpirenena amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Entanina hatrany ny olom-pirenena hanome vaovao momba ireo olon-dratsy.

 

TOAMASINA : JIOLAHY RAINDAHINY MIISA EFATRA MPANGALATRA MOTO SY MPANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA MATY VOATIFITRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer