👮‍♂️ Tovovavy roa samy voalaza fa tsy hita no tafaverina eo anivon’ny fianakaviany avy, taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisimpirenena.
🔎 Ny voalohany, tovovavy iray izay tsy hita ny 08 Septambra 2026 tokony ho tamin’ny 01 ora atoandro rehefa nandeha nianatra. Teny Ambohimanarina Ambohimanandray izy no hita ny 09 Septambra maraina taorian’ny fikarohana niarahana tamin’ny fianakaviana.
✅ Nandritra ny fanadihadiana dia nilaza izy fa nisy olona nikasika azy teny Ampasika ary nanaraka io olona io niditra tao anaty fiara Starex izy, saingy tsy nahatsiaro intsony ny zava-nitranga taorian’izay.
👮‍♂️ Manohy ny fikarohana ho fitadiavana ny marina momba ity raharaha ity ny mpitandro filaminana.
👧 Ny faharoa kosa dia tovovavy 14 taona izay voalaza fa tsy hita nanomboka ny volana Martsa 2026. Ny harivan’ny 08 Septambra 2026, rehefa natao ny fikarohana dia hita teny amin’ny manodidina an’i Tetezany Bekiraro izy, ary mbola nirenireny sy nangataka teny amoron-dalana. Araka ny fanazavany, dia niara-nipetraka tamin’ireo olona tsy manan-kialofana teny an-dalana izy nandritra ny fotoana tsy nahitana azy.
🏥 Samy efa eo ambany fikarakarana sy fiarovana ireo ankizy ireo, ary mitohy ny fanadihadiana mba hamantarana mazava ny zava-nitranga amin’izao raharaha izao.
🛡️ Manentana hatrany ny rehetra mba hampandre ny mpitandro ny filaminana rehefa mahatsikaritra tranga mampiahiahy eny anivon’ny fiaraha-monina eny. Aoka tsy hikely soroka amin’ny fanaraha-maso ireo ankizy.
FARITRA ANALAMANGA : ANKIZY ROA VOALAZA FA TSY HITA, TAFAVERINA EO ANIVON’NY FIANAKAVIANY.
