👮‍️ Tontosa tao amin’ny Fitaleavam-paritry ny filaminambahoaka DIANA ao Antsiranana, ny 13 Mey 2026, ny lanonam-pamaranana ny fiofanana momba ny « Techniques d’Intervention Professionnelle  » (TIP) ho an’ireo Polisimpirenena avy ao amin’ny Faritra DIANA sy SOFIA. Mialohan’izao dia nisitraka fampiofanana momba ny TIP ihany koa ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka SAVA. Fiaraha-miasa eo amin’ny Fitalevan’ny Fikarohana sy Fampiofanana Mitohy (DRFC) sy ny Fitaleavam-paritry Filaminambahoaka DIANA, SAVA ary SOFIA no nahafahana nanatanteraka izao fampiofanana izao.
🛡️ Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao eny an-kianja ny fiofanana, toy ny teknika fidirana an-tsehatra matihanina, paikady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika, ny fandraisana olona, fifandraisana amin’ny vahoaka raha sendra misy korontana ary paikady fifampiraharahà na.
📌Nitarika ny lanonana ny Talem-paritry ny Filaminambahoaka DIANA, ny Commissaire Divisionnaire de Police, MORATAMBY Roger. Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ireo solontenam-panjakana sivily sy miaramila ary ireo lehiben’ny sampan-draharaham-piarovana isan-tsokajiny ao an-toerana.
🎯 Nampiavaka ny fotoana ny fampisehoana fahaiza-manao nataon’ireo Polisy mpiofana toy ny teknika fiarovan-tena sy ny fandrindrà na ny hetsika fitandroana filaminambahoaka izay maneho ny fahombiazan’ny fampiofanana noraisina.
🏅 Nisy ihany koa ny fanolorana taratasy fanamarinana ho an’ireo Polisy nahavita ny fiofanana manontolo. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nifandimby dia nohamafisina ny maha-zava-dehibe ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Polisimpirenena amin’ny fanatanterahana ny asany am-pahombiazana sy araka ny etika maha-polisy.

