– Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
– Tontosa ny 12 May 2026 tao amin’ny Institution Sainte Famille Mahamasina ny fandraisana anjaran’ny Polisimpirenena amin’ny fetin-tsekoly, izay nisian’ny hetsika maro samihafa mandritra ny herinandro.
– Araka izany, nitondra ny anjarany teo amin’ny fampahafantarana ny asan’ny Polisy sy ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy (VBG) ny Polisimpirenena ho an’ireo mpianatra.

‎- Nizara roa lehibe ny hetsika : ny fampahafantarana ny asan’ny Polisy izay natao isaky ny kilasy nanomboka ny seconde ka hatramin’ny Terminale izay ahitana Technique sy Général , ary ny fanentanana momba ny Ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy sy mahavavy (VBG). Ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana (Terminale) no nisitraka manokana ity fanentanana farany ity.
– Tena nahaliana an’ireo mpianatra ny fandraisana anjaran’ny Polisimpirenena.

‎- Nisy ny fifanakalozana mivantana tamin’ireo tanora mpianatra ka nadraisan’izy ireo anjara mavitrika ihany koa. Tanjona ny hanakaiky kokoa ireo tanora sy hanoro lalana azy ireo amin’ny fiatrehana ny lalam-pianarana sy lalam-piofanana ho avy, sady miaro azy ireo amin’ny karazana herisetra mety hisy eo anivon’ny fiarahamonina.

HETSIKA FANKALAZANA NY FETIN-TSEKOLY TAO AMIN’NY INSTITUTION SAINTE FAMILLE MAHAMASINA : NANDRAY ANJARA NY POLISIMPIRENENA TAMIN’NY ALALAN’NY FIFAMPIZARANA MOMBA NY ASAN’NY POLISY TAMIN’IREO MPIANATRA.

Vous pourrez aussi aimer