-Ady amin’ny halatra isan-karazany
– Moto iray marika Honda no very ny alin’ny 05 mey 2026 tao Ambihivy, Kaominina Soavina, taorian’ny fifamaliana sy fifanjevoana nitranga teo amin’ny tanora tao amin’ny toerana fisotroana iray teny an-toerana.
– Tsy maintsy niaro ny ainy ireo tompon’ilay moto noho ny fandrahonana nahazo azy ireo ka navelany teo an-toerana ilay moto, izay efa lasan’ireo olon-dratsy nony tonga teny an-toerana ny Polisy.
– Taorian’ny fitoriana napetraky ny tompon’ilay moto dia nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ka lehilahy roa no voasambotra. Nandritra ny fanadihadiana dia niaiky ny halatra izay nataony izy ireo ary nanoro ny toerana nanafenana ilay moto teny Anosimahavelona Tanjombato.
– Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana atao amin’izy roa lahy ireto alohan’ny anolorana azy eo anivon’ny fitsarana. Efa tafaverina amin’ny tompony kosa ilay moto very.

 

SOAVINA ATSIMONDRANO : LEHILAHY ROA VOASAMBOTRY NY POLISY NOHO NY HALATRA MOTO

Vous pourrez aussi aimer