📚 Notontosaina ny 01 Septambra 2026, tao amin’ny Kaomisaria Foibe Tsaralalana, ny hetsika fizarana fitaovam-pianarana ho an’ireo KIA (Kamboty Ivelan’ny Akany), izay nokarakarain’ny FIVAPOVA Analamanga.
👮♀️ Tonga nanome voninahitra sy nanotrona ity fotoana ity ny Lehiben’ny Faritra Analamanga, Ramatoa Clémence RAHARINIRINA, sy ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette.
🗣️ Nandritra ny lahateny nifandimbiasana dia nanamafy izy ireo fa tsy irery ireo Kambotin’ny Polisy, fa mbola manana fianakaviana lehibe sy olona vonona hanohana sy hijoro eo anilany. Naneho ihany koa fa zava-dehibe ny fanohanana sy ny fiahiana ireo ankizy ireo, indrindra eo amin’ny lafiny fanabeazana mba hahafahan’izy ireo mianatra am-pahombiazana sy manomana ny hoaviny.
🟢 Nitso-drano sy nirarisoa an’ireo ankizy ihany koa ireo tompon’andraikitra, mba hahomby amin’ny fianarana, ho salama, ary hahatratra ny tanjona kasainy.
📝 Marihina fa fitaovam-pianarana feno no nozaraina tamin’ity fotoana ity, ho fanampiana ireo ankizy amin’ny fiatrehana ny taom-pianarana sy ho fanehoana ny firaisankina ary ny fiahiana ataon’ny FIVAPOVA Analamanga amin’ireo KIA

