👮‍♂️ Nanao hetsika bemidina ny alin’ny 01 Septambra 2026 ny Hery Vonjitaitra ny Polisim-pirenena (FIP), niaraka tamin’ny Vondron-kery Manokana ny Polisimpirenena (USI), ho fanamafisana ny fitandroana ny filaminana.
🔎 Nandritra izany dia nisy ny « examen de situation » natao tamin’ireo olona mivezivezy teny an-dalambe. Olona miisa 40 no tsy nitondra karapanondro, ka vehivavy ny 04 tamin’izy ireo.
⚖️ Natolotra ny Sampana misahana ny fanadihadiana ao amin’ny Kaomisaria foibe Tsaralalàna ireo olona ireo, hanaovana ny fanamarinana sy famotorana mifandraika amin’ny raharaha.
✅ Manentana ny olom-pirenena hatrany mba hitondra ny Karapanondro rehefa hivoaka amin’ny alina ahafahana manamarina ny momba anao.

HETSIKA BEMIDINA : OLONA MIISA 40 TSY NAHITANA KARAPANONDROM-PIRENENA TENY AMINY NANDRITRA NY FISAVANA

Vous pourrez aussi aimer