🟢 Tontosa ny 20 Aogositra – 23 Aogositra 2026 ny fitsidiham-paritra nataon’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur GĂ©nĂ©ral de Police ERICK MICHEL tao amin’ny faritra Androy sy AnĂ´sy.
🎯 Tanjona ny hametraka fandriam-pahalemana maharitra manerana ny nosy, fa indrindra ny faritra Androy sy AnĂ´sy araka ny baiko avy amin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely RANDRIANIRINA MichaĂ«l sy ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana.
🚨 Misy mampiavaka azy moa ny endrika tsy fandriam-pahalemana amin’ireo faritra ireo dia ny fakĂ na an-keriny olona manana toe-tena varira. Nihaona mivantana ary nanome toromarika ireo Polisimpirenena tao Taolagnaro, Amboasary Atsimo ary Ambovombe Androy ny Minisitry ny Filaminambahoaka nandritra izao diany izao.
👮‍♂️ Tao Amboasary Atsimo dia nitarika ny fivorian’ny OMC Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahaka ka nitondra ny toromarika ho fanamafisana hatrany ny firaisan-kina sy fandrindrĂ na ny asa eo amin’ireo mpitandro ny filaminana anatin’ny Hery Firaovana sy Filaminana.
📌 Notsindriana ny fanamafisana hatrany ireo fepetra sy paikady hametrahana ny fandriam-pahalemana ; noresahana ihany koa ny ezaka hatrany amin’ny ady amin’ny kolikoly mba hampahomby ny asa ka hitondra vokatra mivaingana ho an’ny vahoaka.
🚨 Nihaona tamin’ny fikambanana FIVAPOVA sy nitafa tamin’izy ireo ihany nandritra izao fitsidihana izao ny vadin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka, ny filoham-boninahitry ny fikambanana FIVAPOVA, ramatoa Lantosoa ERICK MICHEL.

FITSIDIHAM-PARITRA NATAON’NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA TAO AMIN’NY FARITRA ANDROY SY ANOSY : TANJONA NY HAMETRAHANA NY FANDRIAM-PAHALEMANA MAHARITRA

Vous pourrez aussi aimer