🚔 Ny marainan’ny 23 Aogositra 2026, tokony ho tamin’ny 05 ora sy sasany, dia nahazo fampandrenesana ny Polisy fa misy mpanendaka enjehin’ny fokonolona teny Tanambao V Toamasina.
đź‘® Nidina avy hatrany teny an-toerana ny Polisy ao amin’ny vondron-kery CUI2 ao Kaomisaria Foibe Toamasina, ka olona roa no tratra sy voasambotra, raha tafatsoaka kosa ny iray hafa izay mbola karohina.
📱 Araka ny fanazavan’ny niharam-boina, entana sy fitafiana, finday ary vola no lasan’ireo mpanendaka.
🔎 Nentina tao amin’ny Kaomisaria Foibe ireo voasambotra hanaovana fanadihadiana, ary mitohy ny fikarohana ilay jiolahy tafatsoaka.
âś… Ankasitrahana ireo olon-tsotra amin’ny fahatokisana ny Polisimpirenena ka miantso ara-potoana, deraina ihany koa ny firaisan-kina misy.
TOAMASINA – TANAMBAO V : MPANENDAKA ROA VOASAMBOTRA
