👉 Fiarovana ny zaza sy ny olona marefo.
🎯 Voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny CSP Farafangana tao Amboanio ny lehilahy iray 72 taona ny 27 aogositra 2026 noho ny resaka fanodikodinana zaza tsy ampy taona.
👧 Tovovavy 15 taona no voalaza fa efa niaraka tamin’ny lehilahy iray 72 taona, izay monina ao Amboanio, Farafangana. Araka ny fantatra nandritra ny famotorana, dia efa niverimberina ny fihetsika mamoafady teo amin’izy roa.
🗣️ Nandritra ny fakana am-bava dia nanamafy ny fisian’ny fifandraisana ilay tovovavy, nosamborin’ny Polisy tao Farafangana ilay lehilahy 72 taona, niaraka tamin’ny renin’ilay zaza 15 taona, izay voalaza fa nahafantatra ny fifandraisana teo amin’izy ireo ary namela izany malalaka.
⚖️ Natolotra ny Fampanoavana ny 27 Aogositra 2026 ny raharaha, ka samy nampidirina am-ponja izy roa.

FARAFANGANA : LEHILAHY IRAY 72 TAONA SY VEHIVAVY LEHIBE IRAY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FANODINKODINANA ZAZAVAVY 15 TAONA.

Vous pourrez aussi aimer