📍 Notanterahina ny 26 Oktobra 2026, teny amin’ny Mining Business Center Ivato, ny famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny Fikaonandoham-pirenena na ny » Assises de la Police Nationale 2026 » , fivoriana lehibe mikendry ny hamolavolàna endrika vaovao ho an’ny Polisimpirenena ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fanavaozana izao.
🎖️ Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, niaraka tamin’ireo mpanolo-tsaina Avo eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
👥 Nanotrona ny fotoana ihany koa ireo Minisitra eo anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, ny Minisitry ny Foloalindahy sy ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ary ireo Minisitra mpikambana ao amin’ny Governemanta Fanavaozana tonga teny an-toerana niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ireo olom-boafidy sy olom-boatendry, ary ireo tompon’andraikitra sivily sy miaramila.
🗣️ Nambaran’Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, tao anatin’ny lahateniny, ny maha-zava-dehibe ny fahitsiana ho an’ireo mpitandro ny filaminana raha tiana ny hisian’ny fanavaozana marina ka hitarika amin’ny fampandrosoana tena izy.
🙏 Nisaotra ny Polisimpirenena izy noho ny ezaka efa vita sady nanindry mazava tsara ny tokony hanohizana ny fanavaozana sy ny fanatsaràna ny fomba fiasa, indrindra amin’izao vanim-potoana fanomanana ny fifidianana izao, ka mitaky fahavononana sy fandraisana andraikitry ny tsirairay izany. Nanome toky ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa hanampy ny Polisimpirenena izy sy ny fanjakàna foibe.
🏛️ Tetsy an-kilany, ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, nandritra ny fanolorana ny tatitry ny Fikaonan-dohan’ny Polisimpirenena, dia nanamafy fa ilaina ny fanavaozana ifotony mba hahafahana manavao ny rafitra misy ny Polisimpirenena ankehitriny.
🔷 Nahitàna mpandray anjara mihoatra ny 3 500, kaomisiona miisa 192 manerana ny faritra 23, ka namoaka tatitra voarakitra amina 2 235 pejy sy soso-kevitra miisa 611. Tanjona ny hanakaiky kokoa ny vahoaka, hanatsara ny fandraisana sy ny fikarakarana fitarainana ary hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka ka izany dia mba hahatongavana amin’ny ahafahan’ny Polisimpirenena mamaly ny hetahetan’ny vahoaka anatin’ny matihanina ary ho afaka miatrika ireo ambana amin’ny tsy fandriam-pahalemana izay tsy mitsahatra mivoatra ihany koa.
☑️ Hisy ny tombana tsy tapaka hahafahana miroso amin’ny fampiharana ireo tapaka nandritra ny fikaonandohan’ny Polisimpirenena.

