CSP 3 – LEHILAHY NANGALATRA TETSY BEHORIRIKA : MPIANATRA HO POLISY AM-PERINASA NO NOEZAHINY NALAINA NY KITAPONY SAINGY TRATRA IZY ARY NILATSA-DRANOMASO NANENINA NY AMIN’NY NATAONY

✅ Mba hahafahan’ilay mpianatra ho Polisy manatanteraka ny asany amin’ny fiambenana ireo olona mpiandry bus etsy behoririka dia nohesoriny ny kitapony ary napetrany tamin’ny toerana iray tsy lavitra teo.
✅ Tovolahy iray nihaodihaody teo akaiky teo no nitondra gony ary nasitriny tao anatin’izany ilay kitapo ka lasa moramora izy . Hitan’ilay mpianatra ho Polisy ny fihetsiny ka narahany moramora. Voasakana tao aloha teo ilay lehilahy ary rehefa nojerena ilay gony dia tao ilay kitapo.
✅ Fantatra fa efa fanaon’ity lehilahy ity ny maka fananan’olona tahaka izao saingy tra-tehaka ny niafarany ary latsaka hatramin’ny ranomasony.

CSP 3 – LEHILAHY NANGALATRA TETSY BEHORIRIKA : MPIANATRA HO POLISY AM-PERINASA NO NOEZAHINY NALAINA NY KITAPONY SAINGY TRATRA IZY ARY NILATSA-DRANOMASO NANENINA NY AMIN’NY NATAONY

Vous pourrez aussi aimer