👉Ady amin’ny asan-jiolahy
📆 Ny 25 Oktobra 2026, nahatsikaritra lehilahy iray nampiahiahy, nivezivezy nitondra basy teny amin’ny faritra 67Ha ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny CSP 7 taorian’ny fampitam-baovao avy amin’ireo olona tsara sitrapo.
➡️Napetraka ny paikady mba hisamborana azy ka tra-tehaka tao amin’ny trano fisotroana iray teny an-toerana ilay lehilahy 29 taona tokony ho tamin’ny 11 ora maraina.
🔫 Basy poleta vita gasy iray no hita teny aminy, ary nahitana fonosan-javatra hafahafa, heverina ho ody ratsy ihany koa.
🏚️ Nentina avy hatrany tao amin’ny Kaomisaria CSP7 izy hatao andrimaso sy nanokafana fanadihadiana
.
👏Ankasitrahana tanteraka ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny Polisimpirenena ka hahazoana vokatra toy izao ary hahafahana mametraka fandriam-pahalemana mahatonga.
67HA : LEHILAHY 29 TAONA VOASAMBOTRA NIARAKA TAMIN’NY BASY POLETA VITA GASY
