🎉 Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny Alahady 25 Oktobra 2026 ny Kermesy lehibe nokarakarain’ny FIVAPOVA Analamanga, tao an-tokotanin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taonan’ny Polisimpirenena Malagasy.
🎪 Nandritra ireo telo andro, dia maro ireo hetsika nanintona ny mpitsidika izay tena tonga maro, toy ny tranoheva nampahafantatra ny asan’ny Polisimpirenena, ny fampirantiana, ny torohevitra momba ny fahasalamana sy ny « bien-être », ary ny fitiliana diabeta maimaim-poana nokarakarain’ny AMADIA.
➡️Tsy diso anjara ihany koa ny ankizy tamin’ireo fialamboly sy kilalao maro samihafa.
🎤 Nampiavaka ny lanonana famaranana ny seho nafana nataon’ireo mpanakanto maro,izay nampifaly sy nampientanentana ireo mpanatrika.
🗳️Teo ihany koa ny fisarihana ny Tombola izay nahazoan’ireo mpandresy loka maro samihafa.
🤝 Tao anatin’ny hafaliana sy firaisankina no namaranana ny hetsika, izay nanamafy ny fifandraisana sy ny fifanatonan’ny Polisimpirenena amin’ny vahoaka.

