➡️Notanterahina ny 23 Oktobra 2026, teo anivon’ny Kaominina Boriborintany faha-6, ny fampiofanana ireo Vaomieran’ny Fandriampahalemana (VFP).
🔷Ny Kaomisera Lehiben’ny Kaomisarian’ny Boriborintany faha-6, ny Commissaire de Police RAZAFINDRAZAKA Fenomanjato, no nitarika izany, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy.
🟢Nandritra ny fampiofanana dia nohazavaina tamin’ireo mpandray anjara ny asa sy andraikitry ny VFP, ireo fepetra takiana amin’ny fidirana ho mpikambana, ary ny fomba fiaraha-miasa amin’ny Polisim-pirenena.
📢Nampahafantarina azy ireo ihany koa ireo fitaovana azo ampiasaina eo am-panatanterahana ny andraikitra sy ny fomba fampiasana azy ireny, mba hanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fandriampahalemana eny anivon’ny fiarahamonina.
✨Samy mangetaheta ny hisian’ny fandriam-pahalemana maharitra moa ka maro ireo tompon’andraikitra no namaly ny antso nandritra izao dinika izao

KAOMISARIAN’NY FILAMINAMBAHOAKA AMBOHIMANARINA : FAMPIOFANANA IREO VAOMIERAN’NY FAHANDRIAMPAHALEMANA NA NY VFP

Vous pourrez aussi aimer