– Fiarovana ny zaza tsy ampy taona, ady amin’ny herisetra ara-nofo
-Lehilahy iray 44 taona no tratra ambodiomby nanolana zazalahy kely ny alin’ny 17 Aogositra 2026, tokony ho tamin’ny 03 ora sy sasany maraina.
– Niditra tao amin’ny tokantrano iray ity mpanolana ity ary nilaza fa hitady ny renin’ilay zaza, izay tsy tao an-trano tamin’io fotoana io.
– Ilay zazalahy irery no tao an-trano ka nanaovany ny izao fihetsika mamoafady izao. Na dia notapenany aza ny vavan’ilay zaza, dia nahavita niantso vonjy sy nikiakiaka ity farany, ka taitra ny manodidina.
– Tonga ireo fokonolona ka tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ilay lehilahy, nisy ireo niantso ny Polisy ary efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ity lehilahy tsy mifaditrovana ity.
– Nidina teny an-toerana ny Polisin’ny CSP Ankofafa raha vantany vao nahazo fampandrenesana ka nisambotra ilay lehilahy ary nitondra azy tao amin’ny Kaomisaria.
-Nentina notsaboina tao amin’ny Hopitaly Tambohobe ilay zaza.
-Natolotra ny Polisy misahana ny ny fiarovana ny zaza sy ireo olona marefo ary miady amin’ny heloka mamoafady ny raharaha, ho fanohizana ny fanadihadiana.
-Manentana ny rehetra hatrany mba ho mailo amin’ireo zaza fa olona tsy ampoizina anaty fiaraha-monina matetika no mahavita heloka mamoafady toy ny herisetra ara-nofo.

 

FIANARANTSOA – ANKOFAFA : LEHILAHY 44 TAONA VOASAMBOTRA NOHO NY FANOLANANA ZAZALAHY 12 TAONA

Vous pourrez aussi aimer