AKANY AMBATOLAMPY: NITSIDIKA SY NANOLOTRA FANOMEZANA HO AN’IREO ZAZA NY MINISITRY NY MPONINA

✅️ Tonga nitsidika sy nanolotra fanomezana ho an’ ireo zaza beazina eo anivon’ny Akany  » Orphelinat de la Police Nationale » ao Ambatolampy ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Ramatoa FOMENDRAZA Haingo Elisette ny Alatsinainy 15 Aprily 2024.
👉👉 Fampitaovana sy fitaovam-pianarana ary tohan’aina, toy ny kidoro miisa 60 , cahiers ary ronono 60 isa no natolony ny Akany.
Tombony lehibe ny fananana foto-drafitrasa sy trano lehibe tahaka izao hoy izy entina mikolo sy manabe ireo ankizy .
📣🤝 Nanolotra ny teny fisaorana avy amin’ny fianakaviamben’ny Polisimpirenena ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala, tamin’izany izy no nanafatra ireo zaza tezaina ao amin’ny Akany mba hanana fahendrena sy hilofo amin’ny fianarana .

AKANY AMBATOLAMPY: NITSIDIKA SY NANOLOTRA FANOMEZANA HO AN’IREO ZAZA NY MINISITRY NY MPONINA

Vous pourrez aussi aimer