🟢 Tafiditra ao anatin’ny fiaraha miasa eo amin’i Madagasikara sy Malaisie dia miatrika fiofanana » International Cybercrime Enforcement Course (ICEC) 2026″, any Malaisie amin’izao fotoana izao ny solon-tena avy amin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka.
👮♂️ Tafiditra amin’ny ady amin’ny fisolokiana anabaka, sy ny endrika heloka anabaka maro samihafa izao fiofanana izao.
💻 Eo ihany koa ny hifehezana ny teknolojia mifandraika amin’izany heloka anabaka izany, ny lalàna iraisam-pirenena, ny famongorana sy fanenjehana ireo mpanao ratsy, ary ny hananganana ratsamangaika manerana an’izao tontolo izao.
🚔 Solon-tena avy amina firenena maro no mandray amin’izany fiofanana izany.